Anisan’ny fihaonana goavana andrasan’ny mpitia baolina kitra maneran-tany, indrindra ny vahoaka afrikanina, ny fifandonan’ny Seleçao Brésil sy ny Lions de l’Atlas avy atsy Maroc. Amin’ny 1 ora maraina eto Madagasikara no handeha ny lalao.
Miditra ao anatin’ny andro fahatelo sahady ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja baolina kitra, tanterahina any Canada sy Etats-Unis ary Mexique. Raha ho an’ny lalao anio, hiditra an-tsehatra ny sokajy “B”. Hifanehatra ao amin’ny Stade de la Baie de San Francisco, ao Santa Clara, i Suisse sy i Qatar. Lalao hanomboka amin’ny 10 ora alina, ora eto Madagasikara. Fa ny tena andrasan’izao tontolo izao, indrindra fa ny vahoaka afrikanina,dia ny fifandonan’ny Seleçao Brésil sy ny Lions de l’Atlas avy ao Maroc. Fihaonana ho an’ny vondrona «C », hotanterahina ao New-York, manomboka amin’ny 1 ora maraina, ora eto Madagasikara, izy io. I Maroc, ekipa afrikanina be mpiandrandra indrindra ary efa tonga teo amin’ny manasa-dalana nandritra ny “Mondial” farany teo.
Raha hiverenana ny andro voalohany, ny alakamisy lasa teo, nisongadina ny fahazoan’ireo mpilalao karatra (sazy). Nitotaly enina be izao izany. Anisan’ny betsaka indrindra ny lalaon’i Mexique sy i Afrika Atsimo, sokajy “A”, izay nandresen’ny mpampiantrano, tamin’ny isa 2 no ho 0. Niisa dimy ny karatra nivoaka tamin’io ka mena ny telo. Ny roa tamin’izany an’ny afrikanina tatsimo,ny iray kosa an-dry zareo meksikianina. Karatra mavo roa, ka samy nahazo iray avy ny andaniny sy ny ankilany.
Nadio kosa ny fihaonana teo amin’i Corée Atsimo sy i Tchécoslovaquie. Karatra mavo iray ihany no nivoaka dia ny azon’i Lee Gi-hyuk, mpilalao koreanina tatsimo.
Tompondaka




