“Ndao isika hilalao” : Fanatanjahantena arahina fialamboly

Ao anatin’izao volana jona, natokana ho an’ny ankizy izao, manomana hetsika iray itambaran’ny fanatanjahantena sy fialamboly antsoina hoe: “Ndao isika hilalao” ny Taches d’huile. Fikambanana ivondronan’ireo mpianatra fahiny tao amin’ny Academie nationale des sports (ANS). Nandritra ny tafa nifanaovan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety teny Ampefiloha, ny alakamisy lasa teo, no nilazan’izy ireo fa haverina ny lanjan’ny lalao fahiny, fototra hiaingan’ny vokatra tsara eo amin’ny fanatanjahantena. Ankehi­triny mantsy, mandany ora maro eo anoloan’ny fahitalavitra sy ny solosaina ny ankizy. Zava-dehibe eo amin’ny toe-tsaina sy ny fahasalamana ary ny tanjaka anefa ny lalao eny an-tokotany. Izany no mampirisika azy ireo hikarakara ity hetsika ity. Hotontosaina ny alakamisy 24 jona tontolo andro, eo an-tokotanin’ny ANS Am­pe­filoha izany. Misokatra ho an’ny olon-drehetra ny hetsika, ahitana ny vitsilia, toraka kapoaka, “course” gony, ny fanorontelo, “police et voleur”, “ballon prisonnier”, “roué ruban”, “course de balle de tennis” ary ny “passe à 10”. Hisy sarany 1 000 Ar ny fandraisana anjara ary homena harendrina ireo ankizy 1 000 misoratra anarana voalohany. Hisy koa ny fifaninanana misambotra ganagana. Santatra ihany izy ity fa hitarina amin’­ ireo kilalao natao taloha, izay mbola maro be, izany.

Tompondaka

Partager sur: