Pureplay Football League : Klioba efatra hiady ny lelavola iray hetsy dolara

Hifampitaona etsy amin’ny Kianja CFFA Iavoloha ny Malagasy mpankafy baolina kitra maro hijery ny manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara (PFL).

Hotontosaina amin’ity faran’ny herinandro ity, eny amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, ny manasa-dalana mandroso amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara na Pureplay Football League (PFL). Klioba efatra no hifaninana amin’izany dia ny Disciples FC Vaki­nankaratra, ny Ajesaia, ny Elgeco Plus, tompondaka farany, ary ny CFFA Ando­haranofotsy.
Ankoatra ny anaram-boninahitra maha tompondaka, samy mikendry ny hahazo an’ilay vola 100 000 dolara na 400 tapitrisa Ariary avy amin’ny Caf, izy ireo. Natao hanohanana ny klioba raha sanatria ka mihintsana amin’ny dingana savaranonando amin’ny fifaninanana afrikanina “Ligue des Champions Caf”, izany. Araka ny fikarohana natao, miakatra 700 000 dolara na 2 miliara sy 900 tapitrisa Ari­ary izany raha tafiditra anatin’ny fifanintsanana isam-bondrona.
Ho an’ny anio, hifampitana sy hiezaka ny hitady ny tombon’isa ambony ny Ajesaia sy ny Disciples FC Vakinan­karatra. Rahampitso kosa, hiezaka ny hiady ny tapakilan’ny famaranana, manoloana ny ekipan’ny CFFA, mba hitazomana ny satroboninahiny ny Elgeco Plus.
Raha ny filazan’ny loharanom-baovao iray, hatao ny 28 jona ho avy izao ny lalao famaranana. Hotolorana lelavola 20 tapitrisa Ariary izay mivoaka ho mpandresy amin’ity PFL 2026 ity. Mbola baraingo kosa ny kianja hanaovana izany.

Fitia Randria

Partager sur: