Notanterahina tao amin’ny Novotel Convention & SPA Ankorondrano ny fifanintsanana iraisam-pirenena momba ny hainahandro « International Catering Cup » andiany faha-10. Firenena 5 aty Afrika no nanana solontena (Côte d’Ivoire, Gabon, Nosy Maorisy, Togo ary i Madagasikara). Fantatra, omaly, fa hisolo tena an’i Afrika any amin’ny dingan’ny famaranana ny ekipa avy eto Madagasikara sy ny avy atsy amin’ny Nosy Maorisy. Ny janoary 2027 no hanatanterahina izany, any Sirha Lyon, Frantsa.
Fantatra fa fifaninanana iraisam-pirenena anisan’ny lehibe ny « International Catering Cup », raha eo amin’ny tontolon’ny hainahandro sy sakafo. Ankoatra ny takina amin’ny mpifaninana, iray amin’ireo hitsarana ny sakafo vitan’izy ireo ny fahaiza-mamorona sy mamoaka izany amina endrika kanto sy tsiro mahatazona izay mihinana na manandrana azy.
Mahay mahandro ny Malagasy. Manaiky izany ny sehatra iraisam-pirenena. Iray amin’ireo singa mahasarika sy mahatamana ireo mpizahatany io. Noho izany, mila velarina amina sehatra malalaka kokoa ny fahafahan’ny Malagasy miatrika fiofanana momba ny hainahandro. Hampitomboina, ohatra, ny isan’ny sekoly mampianatra izany.
HaRy Razafindrakoto




