« Volan’ny ankizy » : Mila haverina ny kilalao fahiny

Sady « Iray volan’ny teny malagasy » no « Volan’ny ankizy » ny volana jona ho an’i Madagasikara. Ho an’ity taona 2026 ity, somary mangingina ny ankizy. Vitsy dia vitsy ny hetsika momba azy io. Kanefa…

… Ahitana lesoka goavana be ny tontolon’ny ankizy eto Madagasikara. Iray amin’ireny ny fanabeazana izay mifamatotra amin’ny kilalao sahaza io sokajin-taona io. Volana jona, « Volan’ny ankizy » ho an’i Madagasikara. Taona 2026, tsy mbola hita mazava ny akon’ny fankalazana sy ny fanamarihana io vanim-potoana io.
Mba tsy hijanona eo amin’ny endrika ivelany fotsiny (famalifaliana ny ankizy amin-java- mamiratra, manjelatra…), mila haverina ny kilalao fahiny. Miteraka lesoka lehibe eo amin’ny fanabeazana ny tsy fahaizan’ny zaza sy ny ankizy malagasy milalao intsony. Ireo no mila omena laka sy ampaham-potoana sy toerana malalaka amin’izao « Volan’ny ankizy » izao.
Amin’ny ankapobeny, sa­my manana ny kilalao nitaizana sy nanabeazana ny taranany ny faritra tsirairay eto Madagasikara. Ny ankamaroan’izy ireny, sady manokatra sy saina no mitaiza ny vatana. Noho izany, azo atao tsara ny mandrindra izany ho tonga fifaninanana, amin’izao vanim-potoana izao. Tsy mijanona eo amin’ny ankohonana intsony, ohatra, ny filalaovana fanorona, ny fampiadiana ravina, ny fanaovana tanisa, sns, fa atao fifaninanam-paritra na fifaninanam-pirenena, mihitsy, isaky ny « Volan’ny ankizy ».
… Tombontsoa maro no azo avy amin’izany. Fivere­nanan’ireo kilalao sahaza ny Malagasy sy ny momba azy. Fitaizana ny taranaka malagasy hahalala sy ho tia ny mom­ba azy manontolo, indrindra fa ny fireneny. Fahaizana manaiky ny lamina voajanahary ka hanarina ny lesoka navelan’ny hafa firenena izay sokajiana ho lova mamoa-doza ho an’ny Malagasy sy ho an’i Mada­ga­sikara, sns.
Mbola mijanona ho olana goavana sy saro-bahana, ane­fa, hatreto ny tsy fahalalan’ny ray aman-dreny sy ny raiamandreny intsony ny momba ireny kilalao malagasy ireny. Noho izany, mila mianatra izy ireo.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: