Tsipy kanetibe : Nivoaka ny anaran’ny handrafitra ny ekipam-pirenena

Tontosa tany Antsirabe, ny faran’ny herinandro teo, ny fitiliana ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny “tournoi estival”, any France. Omaly no namoaka ny lisitra ny Federation sport boule malagasy (FSBM). Ma­nana ekipa roa i Mada­gasi­kara, amin’izany fifaninanana izany. Mbola voatazona ao anaty ekipam-pirenena i Baloty sy i Lova ary i Ton­nerre. Ha­nampy azy ireo, i Bondy sy i Tafita ary i Mika. Masontsivana nojerena tamin’ireo mpilalao ny fahamarinan-toerana, izany hoe, tsy niova mihitsy ny zava-bitany tamin’ireo sedra samihafa. Anisan’izany ny tifitra sy ny fakana isa, ny tanjaka sy ny toe-tsaina ary ny fitondrantena. Andrasan’ny rehetra kosa izay ho firafitry ny ekipam-pirenena hiatrika ny “Mondial La Mar­seil­laise”, hatao ny 5 – 8 jolay ho avy izao. Tsiahivina fa tompondaka tamin’io ny Malagasy, izay norombahin’i Tonnerre sy i Yves ary i Lova. Ankoatra izay, fantatra ihany koa ireo efatra mianadahy “junior” ho any Espagne, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany. An­driambelonony Harison Clarito sy Raberanto Avotiana Elio eo amin’ny lehilahy, ary Ramamonjisoa Anjaratiana Nameno sy Ramamonjisoa Hanjatiana Nomena, eo amin’ny vehivavy. Ny 23 – 26 oktobra ny hanaovana ny fifaninanana.

Tompondaka

Partager sur: