Fanovana niomerika : Miara-miasa ny Orange sy ny Mesupres

Finiavana iraisana ny hanafainganana ny fanovana niomerika ho fitaovana iray hanavaozana ny fampianarana sy ny fikarohana eto Madagasikara. Vita sonia, ny alatsinainy teo, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (Mesupres), Ndaohialy Manda Vy sy ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Aminata Ndiaye. Fifanaraham-piaraha-miasa mifantoka amina sehatra stratejika miisa efatra. Ao anatin’izany ny fanovana niomerika eo amin’ny fampianarana ambony, ny fampiroboroboana ny fikarohana eo amin’ny sehatry ny angon-drakitra sy ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA). Manampy ireo ny fanohanana zava-baovao sy ny fandraharahana ary ny fanamafisana ny fahaiza-manao niomerikan’ny mpianatra. Hitondra ny fahaiza-manaony ara-teknolojika sy hanome fampitaovana samihafa eny anivon’ny Oniversite ny Orange Madagascar. Handrindra ny asa sy hametraka ireo fotodrafitrasa niomerika eny amin’ny Oniversite kosa, ny minisitera. Ankilany, omena toerana manokana ny Orange Digital Centers, Fablabs Solidaires d’Orange, izay sehatra hanomezan-danja ny famoronana sy ny fandraharahana, amin’ny alalan’ireo fandaharanasa manohana ny tetikasa ataon’ny mpianatra.

Henintsoa

Partager sur: