VAOVAO TAMBATRA

Efa apetraka ny tetezamby vonjimaika (Pont Bailey), eo amin’ny tetezana Mangapaika, lalam-pirenena RN4, PK505. Simba tanteraka ilay tetezana, nodomin’ny fiarabe, izay efa nesorina tao ambany tetezana. Mandeha ara-potoana ny asa eny an-toerana, ny fitaovana mandrafitra ny tetezamby, hamerenana amin’ny laoniny ny fifamoivoizana. Tsiahivina fa efa misy ny fivilian-dalana, mandra-pahavita ny asa ao anatin’ny fotoana fohy.

Nihena 5% avy hatrany ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena amerikanina WTI, ny alatsinainy 15 jona teo. Nahatonga izany ny fahalalana fa nisy ny fifanarahana fandriampahalemana, hitsaharan’ny ady tanteraka eo amin’Etazonia sy Iran, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo. Nanome toky moa ny filoha Donald Trump fa hisokatra avy hatrany ny Lakandranon’i Ormuz, amin’ny zoma 19 jona ho avy izao, fotoana hanaovan-tsonia amin’ny fomba ofisialy ity fifanarahan’ny roa tonta ity.

Avy amin’ny harena an-dranomasina ny 10% ny fanondranana vokatra any ivelany, ary manome 7% ny Harinkarena faobe (PIB). Natao tany Toliara, ny fiandohan’ny volana jona teo, ny atrikasa miompana amin’ny fanatsarana ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina, izay tena manan-karena amin’izany ny faritra Atsimo Andrefana. Nahitana ny mpikaroka, ny mpianatry ny oniversite, ny mpiasam-panjakana, ny mpandraharaha, sns ny mpandray anjara.

Partager sur: