Jirama : Hisy milina hafa 30 MW hihodina

Nanazava ny tale jeneraly (DG) ny Jirama, ny jeneraly Rasolomanana Hajatiana, mahakasika ny fahatapahan-jiro sy ny fidinan’ny tanjaky ny herinaratra. Tsy delestazy mifandimby no ampiharina fa noho ny fiovaovan’ny famokarana vokatry ny vanim-potoana maintany. Simba ny fitaovana mitsinjara herinaratra, ny tariby, ny vata fanapahana herinaratra, ny vata mpanova herinaratra, sns. Vahaolana noraisina ny fampihodinana ireo milina roa, manana tanjaka mitotaly 30 MW, eny amin’ny TAC Jirama Ambohimanambola. Eo am-panaovana andrana hampandehanana ireo ny teknisianina, ankehitriny.
Nijery ifotony teny an-toerana ny tenany sy ny mpiara-miasa aminy, ny talata 16 jona teo. Fantatra fa hihodina ny milina iray afaka 5 andro, manana tanjaka 15 MW. Heverina ho vita amin’ny faran’ny volana jona kosa ny faharoa, manana tanjaka 15 MW ihany koa.
Ankoatra ireo, mifandray tsy tapaka amin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro ny Jirama, hamantarana ny fahafenoan’ny fepetra handatsahana orana artifisialy any Ande­kaleka sy Mantasoa ary Tsiazompaniry. Manampy ireo ny toby mandeha amin’ny solika sy ny toby mamokatra angovo avy amin’ny masoandro.

Njaka A.

Partager sur: