Hentitra. Mahatratra 141 ny sata mifehy maha orinasa afakaba ho sintomina noho ny tsy fanarahan-dalàna ataony. Nivoitra izany nandritra ny tomban’ezaka nataon’ny minisitry ny Indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP), Raharimanjato Nirina Nampoina, omaly, tetsy Anosy. “Maro ny fepetra tsy voahajan’ireo orinasa toy ny tsy fanarahan-dalàna, tsy fandoavan-ketra. Antony mahatonga ny minisitera ny mandray fepetra manokana”, raha ny nambarany. Miteraka fatiantoka goavana ho an’ny firenena, hoy izy, ny fitazomany ny sata maha orinasa afakaba azy kanefa tsy mahafeno ny fepetra takina amin’izany.
Ankilany, tsy hikatona ny orinasa fa tokony handoa ny hetra amin’ny maha orinasa tsotra azy. Nisy, hoy izy, ny asa niarahan’ny MIDSP sy ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF) ary ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM). Namoaka antotanisa ihany koa ny Banky iraisam-pirenena momba ireo “agrément” tokony ho sintomina saingy hisantarana azy ireo 141 voalaza etsy ambony. Mbola maro ireo handraisana fepetra ary mbola anatin’ny fanadihadiana ihany koa ny minisitera.
Toekarena
Ezaka ataon’ny fanjakana ny hanarenana ireo orinasam-panjakana manodim-bokatra eto an-toerana toy ny Sirama sy ny Secren. Efa nampidirina ao anatin’ny volavolan-dalàna fanitsiana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (LFR) ny didim-panjakana hanarenana ireo orinasam-panjakana. “Ankehitriny, anatin’ny fijerena ny mpiara-miombon’antoka sy ny fomba rehetra hanarenana ireo orinasam-panjakana ireo ny fanjakana”, hoy hatrany ny minisitra.
Henintsoa




