Foire Manandratra : Omena vahana ny loharanon-karena

Hotanterahina ao Ambatondrazaka, ny 6 ka hatramin’ny 8 aogositra, ny hetsika ara-toekarena “Foire économique Manandratra”, andiany voalohany. Hisongadina sy hampahafantarina mandritra ny telo andro hanaovana ny hetsika ny harena voajanahary, ny fahaiza-manao samihafa ary ny fampiasam-bola ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro. Atao hanohanana sy hampandrosoana ara-toekarena ao an-toerana ihany koa ny hetsika. “Misandrahaka amin’ireo distrika dimy ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro (Ambatondrazaka, Moramanga, Amparafaravola, Andilamena, Anosibe An’Ala) ireo mpandraharaha misehatra amin’ny ara-dalàna miisa 18 000. Amin’ny maha hetsika manandratra azy, tanjona ny hampiroborobo ny toekaren’ny Faritra sy ny fahaiza-manaon’ireo mpandraharaha”, hoy ny filohan’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria ao Alaotra Mangoro, Day Rabeony Andrianirina. Nambarany fa hisy ny tranoheva hampirantina sy hampahafantarana ireo tolotra sy vokatra ataon’ireo mpisehatra samihafa. Hisy ihany koa fifanakalozan-kevitra iarahan’ireo matihanina sy tomponandraikitra. Hanamafy ny fiaraha-miasa sy ny fifanakalozana ara-toekarena eo amin’ny sehatra tsy miankina sy andrimpanjakana marolafy ny hetsika, raha ny fanazavana hatrany.

Henintsoa

Partager sur: