Nahazo kianja filalaovana basikety ny mponina eny amin’ny boroborintany faha-6. Vita ary notokanana ny alarobia lasa teo ny toerana nomena ny anarana hoe kianja Kanto Antsararay.
Tetikasa tafiditra ao anatin’ny “Pepinière urbaine” an’Antananarivo Renivohitra, nentin’ny Gret hiarahana amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ary tohanan’ny AFD (Agence française de développement) ity tetikasa ity. Tsy toerana fanaovana fanatanjahantena ihany fa ahitana fialamboly sy fanasan-damba ihany koa. Mamaly ny filan’ny mponina ny tetikasa rehefa nisy ny fanadihadiana natao tamin’ny fokonolona teny an-toerana, araka ny fanazavan’ny tompon-kevitra. Ny fokontany sy ny fikambanana Tsaravoatra kosa no nomena alalana hanohy ny fikolokoloina sy hitantana ity kianja Kanto Antsararay ity, manomboka izao. Misokatra ho an’ny rehetra ny kianja ary tsy hisy ny fanavakavahana. Tetsy ankilany, nitondra fanazavana ny filohan’ny seksionina Antananarivo Renivohitra, taranja basikety, Andrianantenaina Jean Félix, izay anisan’ny angady nananana izao fotodrafitrasa izao. Nambarany fa anisan’ny nakàna hevitra ny tenany tany amin’ny volana septambra tany. Zava-dehibe, hoy izy, ny fananana fotodrafitrasa toy izao satria hampitombo isa ireo ankizy sy tanora hilalao ny taranja basikety ka hahafahana mitily ireo taninketsa. Hampirisihana ihany koa ny tanora tsy hirona amin’ny zava-mahadomelina. Tonga nanotrona ny lanonana fitokanana, ny PDS eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Ralambomanana Fenoherintsoa, izay nanambara ny maha zava-dehibe izao fotodrafitrasa izao ihany koa.
Mi.Raz




