Maro ny fotodrafitrasa vita ao anatin’ny tetikasa “Picas 1”, any amin’ny Faritra Anôsy, tohanan’ny Bad, toy ny tsena, ny magazay mpiara-miombon’antoka, ny EPP sy CEG any Agnarafaly. Eo am-panatanterahana ny tobin’ny zandarimaria sy ny CSB. Hisy koa ny fanorenana trano fonenana, tany hambolena ary fanohanana ny fiompiana ho an’ny tokantrano marefo. Hatsangana ny Bankin-tsakafo any Ranopiso sy Fitahirizam-bokatra any Ankaramena, Manambaro, sns.
Mikorontana ny fotodrafitrasa fitaterana any Mahajanga. Eo amin’ny arabe an-tampon-tanàna (Avenue principale) no mitoby ny fiara mpitatitra rezionaly sy ny « suburbaine ». Nisy ny toby fiantsonana naorina, saingy tsy vita tanteraka. Misy ampahan-tany lasan’ny orinasa mpitatitra tsy miankina. Feno tranoheva mpivarotra ny moron-dalana. Miteraka olana ny fitaterana Bajaj, tsy manana alalana hitatitra amin’ny lalam-pirenena na lalana rezionaly, sady manao taingim-be, sns. Hikaroka vahaolana haingana ny minisiteran’ny Fitaterana.
Manan-danja amin’ny hanovana ny rafitra ara-tsakafo ny legioma sy ny voankazo. Natao, omaly, ny dinika niarahan’ireo mpisehatra eto afovoantany. Nifantohana ny fanamby sy ny vahaolana hanatsarana ny fomba famokarana, ny famatsiana ary ny fanjifana ny legioma sy ny voankazo. Manohana ity fotoana ity ny GIZ sy ny tetikasa AgSys Madagasikara.




