Fanaovan-tsonia telo sosona no nataon’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF), ny Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé, sy ny talen’ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD), omaly. Famatsiam-bola mitotaly 57 tapitrisa euros, mitsinjara sehatra telo. Voalohany, fanampiana ny tetibola mitentina 4 tapitrisa euros, ho an’ny tetikasa mifantoka amin’ny fahasalamana, ny fiarovana ara-tsakafo, tantsoroka ho an’ny Institut Pasteur, ny fisakafoana an-tsekoly ary ho an’ny BNGRC, hiatrehana ny loza voajanahary.
Manaraka izany, mitentina 22 tapitrisa euros, ao anatin’ny Tetikasa tantsoroka ho an’ny fitsarana, andiany faharoa (Pajma 2). Vola ampindramina ny 15 tapitrisa euros, ary fanampiana ny 7 tapitrisa euros. Entina hanavaozana ny rafi-pitsarana, ny fametrahana ny niomerika eny amin’ny fitsarana sy ny fitantanana ny fonja izy io. Hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpitsara, ny mpiraki-draharaha ary ny mpiandry fonja. Eo koa ny hananganana ny sekoly vaovao ho an’ny mpitsara sy ny mpiraki-draharaha, hampitomboana ny isan’izy ireo.
Mamaly ny laharam-pahamehana
Farany, vola mitentina 31 tapitrisa euros, hanohizana ny tetikasa Lalankely IV. Voakasik’izany ny kaominina miisa 17 manodidina ny Renivohitra sy boriborintany miisa 4 eto Antananarivo Renivohitra. «Mamaly ny laharam-pahamehana eto amin’ny firenena ireo fifanarahana ireo», hoy ny minisitry ny Toekarena. «Taratry ny fanohizan’i Frantsa ny tohana ho an’ny fampandrosoana maharitra ho an’ny rehetra eto Madagasikara izao atao izao», hoy kosa ny talen’ny AFD.
Njaka A.




