Mihazakazaka ny Fivoaran’ny teknolojia. Manova tanteraka ny toekarena ny niomerika ka lasa fanoitra amin’ny fampivoarana sy famoronana. Miantoka ny fifaninanana eo amin’ny tsena ny fampiasana ny Faharanitan-tsaina Artifisialy (IA).
Manampy amin’ny famoronana asa sy ny hitrandrahana ny tsena izy saingy sakana ho an’ny fitadiavan’asa ho an’ny tanora. Nivoitra izany nandritra ny fifanakalozan-kevitra natao tetsy amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Antananarivo (CCIA), omaly. “Tao anatin’ny roa taona, 30 ka hatramin’ny 40% ny asa no manomboka very eto Madagasikara noho ny fisian’ny IA”, hoy ny filohan’ny CCIA, Razafintsalama Gil. Voasakasika manokana ao anatin’izany ny sehatry ny Informatika ampiasain’ireo développeur. Vitan’ ny IA avokoa, hoy izy, ny asa ka maro amin’ireo tanora malagasy no voatery mitady asa. “Vahaolana aroson’ny fanjakana ny hanomanana ny tanora sy ny orinasa hiatrika ny fiovan’ny tontolo niomerika amin’ny alalan’ireo tetikasa maro. Anisan’izany ny tetikasa Asanai izay manofana tanora manodidina ny 1 000, ny Miary Digital izay manohana orinasa madinika sy salantsalany maherin’ny 90 miantsehatra eo amin’ny niomerika”, hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT), Rabenanahary Tahiry.
Niomerika
Singa lehibe amin’ny fifaninanana sy ny famoronana sanda fanampiny ny IA. Ahafahan’ny orinasa manatsara ny vokatra sy ny fahombiazan’ny asany. ahafantarana bebe kokoa ny tsena, manatsara ny rojom-pamatsiana, mampifanaraka ny tolotra sy ny vokatra amin’ny filan’ny mpanjifa ary mampitombo ny fahaizany mamorona sy manavao ihany koa ny fampiasana azy. Antony nahatonga ny lohahevitry ny hetsika hoe “E-commerce, IA ary famoronana sanda fanampiny: Fananganana ny toekarena niomerika rahampitso”, mandritra ny roa andro, eny Antaninarenina. Nifanakalo hevitra momba ireo fahafahan’ireo sehatra mamorona sanda fanampiny manatsara izany sy ny fifaninanana, hanohanana ny fampandrosoana maharitra.
Henintsoa




