Foara Fibre Yas : Tolotra internet maimaimpoana

Notontosaina tetsy amin’ny zaridaina Antaninarenina, ny 18 sy 19 jona teo, ny andiany voalohany, amin’ny Foaran’ny Fibre Yas. Fotoana nifandraisana mivantana amin’ny mpanjifa, nanentanana sy nampahafantarana azy ireo ny lanjan’ny internet amin’izao fotoana izao. Nampiavaka ny hetsika ny fahazoana internet maimaimpoana mandritra ny 2 volana ho an’izay hanao famandrihana voalohany. Hita tao daholo izay tolotra mifanandrify amin’ny toe-bolan’ny tsirairay. Nambaran’ny tomponandraikitry ny fanentanana ny tambajotra Yas, Rakotoanosy Anja, fa manodidina ny 54 000 ny efa manjifa ny internet Yas any an-tranony, ankehitriny. Mahatratra 49 000 Ar isam-bolana ny saran’ny «Fibre’In», ahazoana tanjaka 100 Go, raha 99 000 Ar isam-bolana ny 250 Go, «Fibre Go». Misy koa ny famandrihana, ahazoana tombondahiny manokana mifandray amin’ny Netflix.
Nisy ny lalao samihafa, toy ny fifaninanana vidéo, ny fanandramana ny kilalao niomerika isan-karazany, ny toerana ahazoana Wifi maimaimpoana. Hitohy any Mahajanga, ny 6 sy 7 jolay, ny Foara Fibre Yas, ary any Toamasina amin’ny volana novambra.

Njaka A.

Partager sur: