Hiatrika ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, Pureplay football league (PFL), ny Ajesaia sy ny CFFA Andoharanofotsy. Tontosa ny faran’ny herinandro lasa teo, teny amin’ny kianja By-Pass ny lalao manasa-dalana miverina. Ny sabotsy lasa teo, lavon’ny Ajesaia tamin’ny fandakana ny “tirs au but” 6 no ho 5 ny Disciples FC Vakinankaratra. Nisaraka, tamin’ ny isa 1 no ho 0 ny roa tonta tao anatin’ny 90 mn nilalaovana ka nandresy ny Disciples. Baolina tafiditr’i Fabrice, tany amin’ny minitra faha-84. Nitovy izany ny isa azon’ny roa tonta, rehefa natambatra ny fihaonana mandroso sy miverina ka voatery natao ny fandakana ny “tirs au but” nahalalana izay ho mpandresy. Tsy nahatafiditra ny azy i Nosy ho an’ny Ajesaia raha i Tsila sy i Rado Be kosa ny an’ny ekipan’i Vakinankaratra. Tsiahivina fa mbola hifandona ny roa tonta eo amin’ny ampahavalon-dalana, amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, hatao ny 5 jolay ho avy izao.
Omaly indray, nisaraka tamin’ny isa mitovy 1 no ho 1 ny CFFA sy ny Elgeco Plus, tompon-jaridaina. Efa nanantombo tamin’ny isa 2 no ho 1 anefa ny ekipan’Andoharanofotsy, nandritra ny lalao mandroso ka izy ireo no tafita. Hotanterahina ny alahady 28 jona ho avy izao, ny famaranana izay hotanterahina etsy amin’ny kianja Elgeco Plus By-Pass. Ho fantatra eo izany izay hisolo tena an’i Madagasikara eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika.
Tompondaka




