« Fetin’ny mozika »: Nampiaina gadona maroloko

Efa tafapetraka eto Mada­ga­sikara ny fankalazana. Na fety vahiny aza no niatombohany, efa aman-taonany maro izao no nankalaza ny «Fetin’ny Mo­zika» isaky ny 21 jona isika. Tsara fitontona rahateo, satria nianjera tamin’ny faran’ny herinandro ny fankazalana tamin’ity, ka nanan-tsafidy maro ireo mpankafy mozika. Mozika ma­rolafy, gadona maroloko ary tena nanasongadina ilay fivelarana eo amin’ny zavakanto amin’ny ankapobeny sy ny mozika manokana izany.
Anisan’ny nanomboka ny fankalazana teto ary manohy izany isan-taona ireo ivontoerana frantsay toy ny IFM Anala­kely sy ny sampan’ny Alliances françaises rehetra manerana ny Nosy. Nipetraka ilay lalan-tsaina itovian’ny «Fetin’ny mozika» maneran-tany : seho maimaimpoana, hanehoana karazana mozika, mpanakanto efa ma­laza na tsia fa vonona hizara ny kantony.
Ny sabotsy 20 jona dia efa nanokatra ny fankalazana ny tetsy anoloan’ny Lapan’ny ta­nànan’Antananarivo. Nampidi­tra ny seho ireo mpanao «cir­que» sy mpanao dihy vakodrazana. Nifandimby avy eo ireo tarika mpihira, toy ny Mbaoe, izay nitondra mozika mifangaro, mety vaovao amin’ny ankamaroan’ireo mpijery kanefa dia voaray tsara. Efa fanta-daza kosa ry Skaiz sy Denise nanohy izany. Efa sady tafiditra anatin’ny fanamarihana ny fetin’ny Fahaleovantena rahateo, ka nitohy omaly ny seho teo Analakely.

Zo ny Aina

Partager sur: