Basikety: miakatra N1A ny klioban’ny Lucadro

Sambany eo amin’ny tantaran’ny Lucadro (Lutte contre l’analphabète et de la drogue) Analamanga no tafakatra N1A ity klioba ity. Fantatra iza­ny taorian’ny fifaninanana nasionaly N1B, natao tany Moramanga,  ny faran’ny herinandro teo. Tafapetraka eo amin’ny laharana faharoa ny Lucadro, eo amin’ny sokajy vehivavy, rehefa resin’ny Pin­tade Amoron’i Mania,  tamin’ny isa 80 no ho 63. Voaho­sotra ho mpilalao namono baolina betsaka indrindra ihany koa, ny mpilalaon’ny Lucadro,  i Ravakiniaina Saro­bidy. Raha hiverenana kosa ny vokatra,  teo amin’ny sokajy lehilahy,  norombahin’ny Fandrefiala Analamanga ny anaram-boninahitra,  tamin’ny isa 70 no ho 65,  nanoloana ny NBE Ana­lamanga.  Mpilalao namono baolina betsaka indrindra i Valentin, avy amin’ny NBE. Mpilalao mendrika indrindra, vehivavy,  Rajaobe­lina Noro Mendrikiniavo,  avy amin’ny Pintade Amoron’i Mania, ary Raobisaona Toky,  avy amin’ny Fandrefiala kosa ny mendrika  teo amin’ny so­kajy lehilahy. Laharana fahatelo ny Phoenix Vakinan­kara­tra, teo amin’ny sokajy vehivavy,  ny ASB Itasy kosa ny teo amin’ny lehilahy. Tsiahivina fa  nahazo lelavola 2 500 000Ar avy ny ekipa tompondaka nandritra ity fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara N1B, taranja basikety,  ity.

Mi.Raz

Partager sur: