Fandaharanasa “Tous redevables “: hanohana ny mangarahara sy ny fanovana niomerika

Hanangana andrimpanjakana mahomby kokoa, mangarahara kokoa ary akaiky ny vahoaka. Ireo no tanjon’ireo tetikasa roa ao anatin’ny fandaharanasa “Tous redevables”.

Iarahana amin’ny Vondrona eoropeanina, hanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana sy hisian’ny tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka ireo tetikasa roa. Hanohana ny fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny sehatra maro. Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana fitantanana ny volam-panjakana, hanamafisana ny fahefan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Hanamora koa ny fitsarana sy ny fanovana niomerika ny tolotra ataon’ny fanjakana. Kendrena ny hitantanana ara-drariny ny loharanon-karena, hanavaozana ny tolotra mba hipaka mivantana amin’ny vahoaka ny tombontsoa entin’izany. Mitentina 63,4 miliara Ar ny famatsiam-bola ataon’ny Expertise France ny tetikasa iray. Hifantoka manokana amin’ny mangarahara ny fitantanam-bolam-panjakana. Laharam-pahamehana ao ny hanatsarana ny fanaraha-maso ireo loharanon-karena ka hanamafisana ny asam-panjakana. Nivoitra nandritra ny atrikasa natao omaly, tetsy Soarano, ny fahafahan’ny fanjakana mamaly ny filan’ny mponina. Ankilany, manampy hanatanterahana ny drafitrasa sy mandrindra ny fitantanam-bolam-panjakana mba hisian’ny tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka ny tetikasa. “Mandray anjara ihany koa amin’ny fanatsarana ny asam-pitsarana sy fanaraha-maso ny volam-panjakana sy fanenjehana raha misy ny fanodinkodinana”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Erinaivo Fanirisoa. Notohizan’ny masoivoho ny UE, Roland Kobia, fa “sakana amin’ny fampandrosoana ny firenena ny kolikoly, ny tsy fametrahana ny mangarahara amin’ny fitantanam-bolam-panjakana”.
Fanovana niomerika
Mahatratra 17 miliara Ar sy tanterahina anatin’ny 36 volana ny tetikasa tohanan’ny Unops. Tetikasa hifantoka amin’ny fanovana niomerika ny raharaham-panjakana izay atao amina tanàn-dehibe miisa dimy (Antananarivo, Toa­masina, Mahajanga, Fia­na­rantsoa, Toliara). Mivoitra ao anatin’izay ny Augure, rafitra hitantanana ny loharanon-karena maha olona sy ny mpiasam-panjakana izay miisa manodidina ny 230 000. Tanjona ny hametrahana izany ho taratra hanohanana sy hanarahana ny fidiran’ny olom-pirenena ho mpiasam-panjakana iray hatramin’ny fotoana hisotroany ronono. Hampihena ny fikirakirana ny taratasim-panjakana sy hiarovana ny angon-kevitra samihafa ihany koa ny fanovana niomerika.
Araka izany, manohana an’i Madagasikara nandritra ny fotoana maharitra ny UE amin’ny alalan’ny fandaharanasa “Tous redevables”. Tanjona ny hananganana rafitra mangarahara, mandray andraikitra sy mahomby.

Henintsoa

Partager sur: