Tsimiroro: hamokatra solika 3 000 barila isan’andro

Miasa avokoa ireo lavaka miisa 25 hitrandrahan’ny orinasa Mada Oil menaka mavesatra any Tsimiroro, ankehitriny. Tanjona napetraka tamin’ny volana marsa teo ny hamokarana solika mavesatra 3 000 barila isan’andro, saingy hihoatra an’izany no hita, araka ny fizotry ny asa amin’izao volana jona izao. Antony, nohavaozina, ampiasaina ny teknolojia vaovao amin’ny alalan’ny fampiasana ny entona (injection à vapeur) hampiakarana ny akora avy any ambanin’ny tany. Hampitomboina tsikelikely koa ny lavaka vaovao trandrahina, izay miisa aman-jatony. Tanjona ny hamokarana mihoatra ny 3 000 barila isan’andro afaka 24 volana. Ahafahana mamatsy ny tsena ato anatiny ka anisan’izany ny orinasa Jirama, manana filana solika mavesatra 3 000 hatramin’ny 4 000 barila isan’andro. Hampihena betsaka ny fanafarana avy any ivelany izany.
Nilaza ny administratera delege ny Madagascar Oil, Yanto Sianipar, fa azo tsapain-tanana ny tohana omen’ny fanjakana malagasy, ankehitriny. Toy ny andininy sasany ao amin’ny Sata mifehy ny solika, manamora ny hitohizan’ny tetikasa. Andrasana koa ny lafiny haban-tseranana, hanafainganana ny fampiasam-bola, hoentina mampitombo ny lavaka miisa aman-jatony, voalaza etsy ambony.

Njaka A.

Partager sur: