Asa aloha raha fifandrifian-javatra na izay mihitsy ny kajikajy maloto any ambadika rehetra any? Tampoka teo, nitokona tsy nisy mpitarika ry zalahy mpamily sy resevera. Nilaza manko ny kaoperativa fa tsy avy amin’izy ireo izany. Niridana tsy nisy zotra mazava, nilanja sorabaventy, nanapaka lalana manerana ny tanàna. Zara raha nisy fiara niasa fa norahonana sy nahazo vava ratsy izay nikafiry.
Mifanindran-dalana tamin’izay, efa niparitaka tamin’ny facebook ihany koa ny mahakasika ny tsy fahafaham-po an’ny ekipan-dry « GEN Z » sy ny « Y » tena izy. Milaza ny hampikatso ny fankalazana ny fetim-pirenena izy ireo. Na ho avy eny an-kianja ihany fa hisiotsioka sy hanakora hono( ?). Toa hoe diso fanantenana izany ry zareo satria tsy nisy akory ny fanavaozana sy ny fanovana tena izy.
Ankoatra ireo, manomboka mampiaka-peo ihany koa ny olona ravana trano amin’ny fanitarana sy fanamboaran-dalana. Misy ny tsy manaiky ny lamina fa miziriziry ankitsirano. Sanatrian’ny vava, mahasahy mihantsy fanjakana mihitsy. Iaraha-mahalala anefa fa raha resaka lalana no resahina dia tombontsoa iraisana sy an’ny besinimaro izany. Ilaina ny fandeferana sy ny fanajana ny rafitra ho an’ny maro an’isa.
Mila mahay mipetraka amin’ny toerana sahaza azy avy ny isam-batan’olona. Mbola ho ela rahateo vao ho tapitra ny fitantanan’ny mpitondra Fanavaozana. Raha ny tetiandron’ny FFKM dia mbola ho herintaona mahery vao hisy fifidianana. Mijokojoko ny fikaonandoham-pirenena. Zara aza misy hanilihana ny rihatra. Hidina isam-pokontany izao, haka hevitra, hono, ny raiamandreny am-panahy.
Hatreto aloha, tsy misy zava-baovao fa ny fanao teo aloha ihany no miverina!
r.r




