Maheno sy manaraka ilay raharaham-pitsarana ao Anosy, dia samy manana ny filazany ny olon-drehetra. Lasa raharaham-pirenena, vaovao mandrakotra ny andavanandron-dRamalagasy ilay izy. Tena tsy mahavita asa ny olona. Tena mandany vola tsy toko tsy forohana hanarahana azy amin’ny tambajotran-tserasera. Ireo manam-potoana mandany andro eny amin’ny Lapan’ny fitsarana.
Raha ny fizotry ny raharaha amin’izao fotoana izao. Mivadika ho karazana famerenana hatrany amboalohany ny fanadihadiana ilay izy. Mbola hadinodino koa fa resaka fanapoizinana nahafaty olona 35 izany. Miteraka fanankianana maro avy amin’ny olona nana-manjo sy ny akaiky azy izany. Manomboka mampiaka-peo izy ireo. Fandrebirebena amin’ny adim-pianakavian’ny tompom-pety no andraisan’izy ireo zava-misy.
Anisan’ny manome vahana, manosika ny nanamanjo mahasahy manao fitakiana ny fampitana mivantana ilay raharaha amin’ny fahitalavitra sy ny tambajotran-tserasera. Maro rahateo ny lasa mpahay lalàna, mpisolovava sy mpitsara tena matihanina eny ana habaka. Misy fiantraikany lehibe amin’ny voampanga, ny mpitory, ny vavolombelona, ary ny mpitsara izany. Olombelona ireo, na inona toe-po sy maha matihanina, tsy maintsy voatohina.
Asa hanao ahoana manomboka amin’ny alatsinainy? Misy roa andro, mety hanova zavatra be dia be. Sasa-miandry ny mpanara-baovao sy ny tia raha. Tombanana tsy hibahana loatra intsony ny resa-pianakavian’ny voampanga iray trano. Ampy nahafahana nahazo ny resaka sy nanazava ny hodidina nisy izany. Nanampy ny rehetra, hanakatra izay ao ambadiky ny raharaha. Tsy diso paikady ny fitsarana na niompana tamin’ny resa-pitombenana aza izany.
Handrasana ny havoakan’ny zandary sy ny minisitra teo aloha, izay nampanantsoin’ny fitsarana. Enga anie ho ny havan’ny maty mba tsy hitsoaka any ivelany amin’izao faran’ny herinandro izao izy ireo.
r.r





