Niova aloha ny fotoam-pitsarana omaly, tao amin’ny Lapan’Anosy. Nanamarika ny omaly ny ranomaso namarana ny fotoana noho ny alahelo nateraky ny tamberina sy tsiahy an’ireo namoy ny ainy. Tsy tana ny fihetseham-po nateraky ny fahatsiarovana. Mainka nanampy trotraka ny fanontaniana nanindrona fo. Niafara tamin’ny fitolefahana izany, ho an’ny renim-pianakaviana sasany. Nisy ny niezaka ho nahery fo saingy nalemy rehefa nokikisan’ny embona.
Tetsy ankilan’izay, maro ny fihetsika mahalasa saina avy amin’ny voampanga sy ny vavolombelona. Nivadika ho raharaham-pianakaviana ilay izy. Hadino ny ain’izy 35 maty. Nivadika ho fifanebahana sy fifandentehana amin’ny resa-pitombenana ny raharaha. Samy miaro ny rambony izay ankolafy manana tombontsoa. Tena nahavalalanina ny mihaino sy mijery ilay raharaha. Tsy mahagaga raha misy sahy mifamorika ihany aloha izy ireo. Raha mifototra amin’ilay fifandaharana.
Fanontaniana mipetraka, tsy mbola nahitam-baliny anefa hatreto dia ny “anton’ilay famonoana”. Mbola azo iadian-kevitra ilay voalaza fa valifaty. Nanda izay fanambarany izay ny olona nampangaina voalohany ary efa niaiky izany tamin’ny famotorana tany aloha. Iza no mahazo tombony? Iza no mpaniraka? Maninona no tamin’io andro io? Indrindra : maninona no navadika ho raharaham-pirenena ilay izy?
Ekena ny mety ho kajikajy politika ahafahana manao dokambarotra ny fitondrana ankehitriny, amin’ny fivoizana ny mangarahara. Misy tsy mazavazava anefa anatin’ilay raharaha ka tokony hanampiana ny fanadihadiana misimisy kokoa. Mampanahy ny tambajotra lehibe mahasaringotra ny “henjana” maromaro anatin’ilay izy ka mahamafy vava ny olona tsaraina na ny vavolombelona. Izay rahateo no asesiky ny fitsarana sy ny mpisolovava ka maha tia jerijery ny mpanara-baovao?
r.r





