Orange Madagasikara: tafapetraka ny tetikasa «Manamaitso Sekoly»

Ankoatra ny maha orinasa misehatra amin’ny fifandraisan-davitra azy, manana drafitrasa manokana ny Orange Madagasikara, amin’ny fandraisana andraikitra eo amin’ny fiarahamonina (RSE). No­santarina teny amin’ny EPP niomerika Masindray, omaly, ny tetikasa “Manamaitso Sekoly”. Nambaran’ny filohan’ny Orange Solidarité, Benja Arson, fa atao ity tetikasa ity hiampitana any amin’ny fametrahana tontolo maitso voajanahary. Ahitana zaridaina sy fambolen-kazo, andraisan’ny mpianatra sy ny mpampianatra mivantana anjara.
Misy toerana hambolena zana-kazo koa eny amin’ny EPP Niomerika Masindray, hianaran’ny mpianatra miisa 200. Nisy ny fanentanana sy fampianarana ny rehetra nandray anjara amin’ny fananganana tontolo maitso, amina velaran-tany 463 m2. Na­notrona teny an-toerana koa ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao anatin’ny fandaharanasa Orange Engage for Change.

« Miara-manamaitso ny Tontolo »
Hitarina any amin’ny Sekoly niomerika napetraky ny Orange Madagasikara ity tetikasa Manamaitso Sekoly ity, izay singa ao anatin’ny fandaharanasa ara-tontolo iainana, ny “Miara-manamaitso ny Tontolo”. Efa nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny ONG Canopy, namboly hazo tany Brickaville, tamin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana, ny 5 jona teo. Misy koa ny fanentanana ny mpiasa ao amin’ny orinasa, ny fiaraha-miasa amin’ny minisitera, sns.

Njaka A.

Partager sur: