Fahaleovantenam-pirenena: mila omena lanja avokoa ny maha Malagasy

Mitady handeha ila! Tsy ny fitafian’ireo izay hanatrika ny fety aman-danonana etsy sy eroa ihany no tokony hoenti-maneho ny fiverenan’ny fahaleovantenam-pirenena fa ny maha Mala­gasy iray manontolo. Mila sokafana lehibe ny fanentanana. Iainana fa tsy atao ankosotra fotsiny ny fihavanana, ny firaisankina, ny fanajana ny tenin-drazana, ireo fomba amam-panao manaja ny fady sy mametraka ny hasina, sns. Ny tahaka ireny no mila voizina mafy ny fiainana miaraka aminy mba ho latsaka anaty.
Vokatry ny fanabeazana tsy mifanaraka amin’ny maha malagasy. Variana, loatra, amina endrika ivelany ny Malagasy sy ny fiarahamonina misy azy. Tsy sahaza ny Malagasy ny fitaizana omeny ny taranany, ny teny aloaky ny vavany, ny fomba arahiny, sns. Noho izany, io tontolon’ny fanabeazana sy fitaizana io no mila harenina haingana. Fotoana tokony hanombohana izany ny fankalazana ny fiverenan’ny fahaleovantenam-pirenena.
… Efa tany amin’ny taona 1960 no niverenan’ny fahaleovantena. Hatramin’izao, mbola tsy tafavoaka ao anatin’ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao i Madagasikara. Sakana goavana be tsy ahafahana manome lanja sy hasina ny maha Malagasy iray manontolo izany. Mbola baikoin’ny politika avy any ivelany ny zava-drehetra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: