SIAE 2026: hampivondrona ireo mpiara-miombon’antoka

Manomana ny andiany fa­hadimy amin’ny « Salon international des affaires et de l’entrepreneuriat (SIAE 2026) » ny minisiteran’ny Indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP). Hetsi­ka mifanandrify amin’ny fankalazana ny Andron’ny indostria aty Afrika (JIA), atao ny 19-22 novambra ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato. Niara-misalahy manolotra ny vina sy ny paikady enti-manatanteraka ny hetsika ny MIDSP, ny Sendikan’ny indostria eto Ma­dagasikara (SIM), ny RED, ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, ny solontenan’ny governemanta ary ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, ny herinandro teo, teny Ankoron­drano. Nanamafy ny fifanakalozan-kevitra sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina. Voalohany nanamafy ny fanohanany amin’ireo tetikasa indostrialy eto amin’ny firenena ny Pnud sy ny Vondrona eoropeanina.

Hetsika ara-toekarena
Hampiavaka ny SIAE 2026 ny hananganana ny « Forum des partenaires internationaux », sehatra iray hampivondrona ireo mpamatsy vola, mpiara-miombon’antoka ara-teknika ary ireo tompona tetikasa. Tanjona ny hampiroboroana ny famatsiam-bolan’ireo tetikasa indostrialy, ny fiaraha-miasa stratejika. Hana­morana ny fampiasam-bola eto Madagasikara.
“Sehatra iray entina mampiroborobo ny vokatra vita malagasy ny SIAE, hanomezan-danja ny indostria eto an-toerana ary hampifanatonana ny tanora sy ny indostria”, hoy ny filohan’ny SIM, Rasamima­nana Tiana. Notsindrin’ny minisitra Raharimanjato Nam­poina Riana fa « Vaindohan-draharahan’ny fanjakana ny hampiakatra ny sanda ara-toekarena ny vokatra eto an-toerana, hamorona asa maharitra ary hanamafy ny fifaninana ara-toekarena ».

Henintsoa

Partager sur: