Hotanterahina any Dakar, renivohitr’i Senegal, ny 31 oktobra hatramin’ny 13 novambra ho avy izao, ny Lalao olympika natokana ho an’ny tanora (JOJ 2026). Efa nanomboka ny sabotsy teo, eny amin’ny Gymnase Ankorondrano, ny fifantenana ny mpilalao hiatrika izany.
Anisan’ny taranja handraisan’ny atleta malagasy anjara ny tolona eny amin’ny torapasika, “ Beach Wrestling”. Efa nanomboka ny asabotsy lasa teo, eny amin’ny Gymnase Ankorondrano, ny fifantenana ny mpilalao izay hiatrika izany. Nisy ny fanangonana fasika, teny an-toerana, hahafahan’ireo atleta mifaninana.
Araka ny fanazavana azo avy amin’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny taranja Tolona (FML), Raveloson Mamitiana, hanana solontena, vehivavy iray, i Madagasikara amin’io lalao io. Ankoatra izay, nizotra tamin’ny faran’ny herinandro ihany koa ny fifanintsanana nasionaly ho an’ny tolona eny anivon’ny sekoly. 200 mahery ny isan’ny ankizy tonga nifanintsana teny an-toerana.
Nohamafisin’ity filohan’ny FML ity fa tanjona iray no nanaovana an’ireo hetsika ireo dia ny hijerena sahady ireo solofo ho mpandimby. Marihina fa hotanterahina any Mahajanga ny fifanintsanana nasionaly ho an’ny sokajy rehetra, raha tsy misy ny fiovana. Hisy ny hetsika fampidirana ny tolona ho taranjam- panatanjahantena an-tsekoly hatao any an-toerana.
Fitia Randria




