Mijery akaiky ny kalitaon’ny entana amidy eny an-tsena ny kaomisera sy mpanara-maso ny varotra sy ny fifaninana, avy amin’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana (MinCC) amin’izao vanim-potoan’ny fety izao. Narahi-maso ny akora sy ny fomba fitahirizana sakafo eny amin’ny Zaimaka-Analakely sy ireo mpivarotra hani-masaka eny Mahamasina. Nentanina hitandro ny fenitra ireo mpivarotra hisorohana ny fahapoizinana ara-tsakafo.
Talohan’izao, efa nidina teny amin’ireo tsena sy mpivarotra amoron-dalana, teny Isotry, ihany koa ireo tomponandraikitra. Notsirihina avokoa ireo entana ahina ho simba sy lany daty teny amin’ny Pavillon Analakely. Nandraisana fepetra ireo siramamy mando tratra tamina fiara Sprinter roa teny Anosibe.
Tsiahivina fa mbola mitana ny sain’ny mponina ny tranga fahapoizinana ara-tsakafo teny Andranoro, Ambohibao Antehiroka, ny herinandro teo.
Henintsoa




