Nizotra ny faran’ny herinandro teo, tany Toamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja Beach volley, fihodinana faharoa. Ekipa 24 no nifaninana niady ny amboara nandritra izany. Teo amin’ny vokatra kosa, voahosotra ho tompon’amboara i Willot sy Antonio, teo amin’ny sokajy lehilahy, rehefa nahazo ny fandresena nanoloana an’i Julio sy i Odilon, tamin’ny seta 2 no ho 0 (21-13/21-10). Teo amin’ny sokajy vehivavy indray, nivoaka ho mpandresy i Marina sy i Julienne, rehefa nandavo an’i Lillie sy i Rojo, tamin’ny seta 2 no ho 0 (21-13/21-16). Tsiahivina fa efa nandrombaka ny anaram-boninahitra i Mariana sy i Julienne, tamin’ny fihodinana voalohany, natao teto Antananarivo, teny amin’ny Tanàna Soa Ambohimanga. Laharana fahatelo, teo amin’ny lehilahy, i Kevin sy i Mario. Fahatelo torak’izany koa, teo amin’ny vehivavy, i Jessie sy i Emma. Azo lazaina ho niakatra ny lentan’ny mpifaninana ary manomboka mahaliana ny mpilalao volley malagasy ny fifaninanana Beach volley. Hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena ho avy ireo mpandresy tamin’ity fiadiana ny amboaran’i Madagasikara ity.
Mi.Raz




