Lalao andrasan’ny mpankafy: hifandona ny Oranje, Pays-Bas sy Lion de l’Atlas, Maroc

Firenena 18 no efa nahazo ny tapakila hiatrehany ny dingana manaraka amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany «Mondial 2026», taranja baolina kitra. Efa voarafitra ny tabilao amin’izany, ahalalana izay hifandona.

Hanomboka rahampitso ny dingana manaraka mialoha ny ampahefa-dalana amin’ny “Mondial 2026”, tanterahina any Canada sy i Mexique ary i Etats-Unis. Lalao goavana ny fifanandrinan’ny Lion de l’Atlas, Maroc sy ny De Oranje, Pays-Bas. Tsy misy intsony ny kajikajy, mody avy hatrany izay resy. Han­gotraka ny fihaonana satria hifampitana amin-dry Hakimi sy ry Diaz avy amin’i Maroc, ry De Jong sy i Van Dijk. Raha tsiahivina, vao indray mandeha ihany no nifanandrina ny roa tonta. Tamin’ny taona 2017 izany. Lalao ara-pirahalahiana, nahazoan’ny Holandais fandresena tamin’ny isa 2 no ho 1. Hanala vela ny maraokanina. Hatao ny talata 30 jona ny fihaonana.
Mialoha izay, hanokatra ny fihaonana amin’izao dingan’ny ampahenina ambinin’ny folon-dalana izao ny lalaon’i Afrika Atsimo sy i Canada, mpampiantrano. Tsy afaka amin’ny firenena mandray ny “Mondial” hatrany ry zareo Bafana Ba­fana. Tsiahivina fa nandritra ny lalao fanokafana, nidona tamin’i Mexique ry zareo. Niondrika tamin’ny isa 2 no ho 0 izy ireo. Hifanandrina i Brésil sy i Ja­pon, rafakampitso. Etsy an­daniny, valo ny firenena efa mandao ny “Mondial 2026” : i Tunisie, Qatar, Haiti, Turquie, Tchécoslovaquie, Curaçao, Jordanie ary i Panama.

Tompondaka

Sokajy “H” (3 ora maraina) – Cap-Vert vs Arabie Saoudite / Uruguay vs Espagne
Sokajy «G» (6 ora maraina) – Nouvelle-Zelande vs Belgique / Egypte vs Iran
Sokajy «L» (1 ora maraina) – Panama vs Angleterre / Ghana vs Croatie
Sokajy «K» (2 ora 30 maraina) – Colombie vs Portugal / RD Congo vs Ouzbekistan
Sokajy «J» (5 ora maraina) – Algerie vs Autriche / Argentine vs Jordanie

Partager sur: