Hotanterahina ny 13 hatramin’ny 19 jolay izao, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny hetsika “Hoopfest”, andiany voalohany.
Fifaninanana basikety lalaovin’olona 5, karakarain’ny Université Privé d’Ambohidratrimo. Hetsika natokana ho an’ny mpianatra eny anivon’ny ambaratonga ambony. Oniversite miankina sy tsy miankina 20, eo amin’ny sokajy lehilahy, no hifaninana amin’izany. Tsy misy kosa ny sokajy vehivavy, amin’ity andiany voalohany ity. Miara-miombon’antoka sy manohana ny hetsika ny Yas Madagascar sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena izay nanambara fa zava-dehibe ny fisian’ny hetsika toy izao hanomezana sehatra ny tanora. Ankoatra ny fanatanjahantena, ao anatin’izany ihany koa ny lafiny toekarena. Hisy, araka izany, ireo orinasa hampiranty sy hanasongadina ny orinasany tsirairay sy ny vokatra ao aminy. Anisan’ny hanatanteraka fisokafana amin’ny fitadiavana asa ny Yas izay mpanohana ny hetsika. Hisy ihany koa ny “Festival” arahin’ny fety hafanain’ny mpanakanto maro sy “Tombola» hahazoana tapakila mihazo an’i Toamasina, Maorisy ary Dubaï. Hahazo tombony ireo tanora tonga manatrika ity hetsika ity, satria hisy ihany koa ny valandresaka arahina adihevitra, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Université Privé d’Ambohidratrimo, i Azad Asgaraly. Vola mitentina 1 500 000 Ar no ho azon’ny mpandresy amin’ny lalao basikety, ankoatra ireo loka avy amin’ny mpanohana.
Mi.Raz




