Famokarana : 70 tapitrisa dolara hanarenana ny Siranala

Andrasana ao anatin’ny telo herinandro ireo vahiny mpampiasa vola hanao fanadihadiana ara-teknika ny orinasa Siranala (Sucrerie industrielle d’Analaiva) ao amin’ny Faritra Menabe. Hetsika tafiditra amin’ny dingana voalohany hanarenana ity orinasa malagasy mpamokatra siramamy ity.

Mitentina 70 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola ilaina amin’ny dingana voalohany, tetikasam-panarenana ny orinasa. Haharitra 18 ka hatramin’ny 24 volana ny fanadihadiana ara-teknika hatao. « Henonay ny hetahetan’ny vahoaka momba ny raharaha Siranala. Ankehitriny, efa misy ny vahiny mpampiasa vola vonona hanarina ny orinasa. Ho avy eto an-toerana afaka telo herinandro ireo mpampiasa vola. Hanatona ny lehiben’ny Fa­ritra sy ny ben’ny Tanàna misy ny Siranala ary ny solombavambahoaka izy ireo, hijery ny zava-misy », hoy ny ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny lahateniny tao Moron­dava, nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana (JME). Tetikasa hanarenana ny famokarana sy ny fampanan’asa ny tanora.

Toekarena
Anisan’ireo andry niankinan’ny famokarana siramamy teto Madagasikara fahiny ny Siranala. Hanana anjara toerana lehibe amin’ny famokarana indray ny fanarenana ny orinasa ka hanampy amin’ny fampiroboroboana ny toekaren’ny Faritra Menabe. Tsiahi­vina fa potika sy voaroba ity ozinina malagasy ity ny volana desambra 2014. Vokany, very asa avokoa ny ankamaroan’ireo olona manodidina ny 3 000 niasa tao an-toerana. Nanjaka ny tsy fandriampahalemana, nitotongana nanaraka izay koa ny toekaren’ny Faritra.
Marihina fa tafakatra 100 000 taonina ny siramamy novokarina teto Madaga­sika­ra, ny taona 2012. Vo­katra azo avy ao amin’ny Sirama tao Ambilobe sy Namakia. Namokatra 34 000 t tamin’izany kosa ny Siranala.

Henintsoa

Partager sur: