Hatao eny amin’ny CCI Ivato, ny 10 sy 11 jolay 2026 izao, ny andiany faharoa amin’ny “Foaran’ny fampindramana sy fampiasam-bola” (Foire aux crédits et investissement). Izay karakarain’ny Assist & Co. Nampitondraina ny lohahevitra hoe: “Finance et technologie”. “Tsy afa-miala amin’ny teknolojia intsony isika ary izany indrindra no avoitra amin’ity taona ity”, hoy Rivo Maharo, talem-panorina ny Assist & Co, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika tetsy amin’ny Orange digital Center Soarano, omaly. Tanjona ny hanamorana ny fahazahoan’ny mpandraharaha tohana ara-bola sy fampindramam-bola. “Mbola vitsy ny Malagasy afaka misitraka tolotra fampindrimam-bola manara-dalàna”, hoy Randriamaromanana Tandrify, filohan’ny SAE eto Madagasikara. Tafakatra 15,8 tapitrisa ny isan’ireo nisitraka tolotra fampindrimam-bola niomerika, teo anelanelan’ny taona 2018 hatramin’ny 2022. Tsena iray lehibe ny FinTech ary fanoitra lehibe hampandrosoana ny ara-toekaren’i Madagasikara. Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ary ny minisiteran’ny Indostria sy fampivelarana ny sehatra tsy miankina ny hetsika.
Mino




