Vao nisokatra roa taona monja, voasokajy ho anisan’ny trano fiantranoana sy fisakafoana tsara indrindra aty Afrika sy ranomasimbe Indiana ny The Anja Reserve Lodge & Restaurant. Any Anjaha, akaikin’Ambalavao, faritra Matsiatra Ambony, manamorona ny lalam-pirenena RN7 no misy azy. Laharana faha-14 ny filaharany, araka ny fanasokajiana Travellers’ Choice Best of the Best. Eo amin’ny fidirana mankao amin’ny Valanjavaboahary Anjaha no ahitana ny The Anja Reserve Lodge & Restaurant, voasoratra ao anatin’ny marika Ragon.
Tsy ny moron-dranomasina ihany
Nilaza i Rija Ragon, anisan’ny nanangana ity hotely ity, fa tsy fankasitrahana ho an’ny « lodge » fotsiny ity loka ity, fa fomba iray hanehoana sy hampiroboroboana ny fizahantany eto Madagasikara. Tsy mionona amin’ny moron-dranomasina ihany isika fa eo koa ny tontolo voajanahary an-tanety, ny Valanjavaboahary, ny hatsaran’ny tanàna, ny tendrombohitra, ny karazan-javamananaina, ny tantaran’ny mponina,sns.
Njaka A.




