Fiovana lehibe. Dingana vaovao no tanterahin’ny orinasa Enelec any Antsiranana, amin’ny alalan’ny Chelsea Energie, hanatsarana ny famatsiana herinaratra. Voalohany, ny fametrahana milina mamokatra herinaratra, marika Wartsila, 12V32, mandeha amin’ny solika HFO, manana tanjaka 4 MW, fanampiny. Efa tonga eto Madagasikara ity milina ity, ary efa eo am-pametahana. Faharoa, ho vita tsy ho ela ny fotodrafitrasa mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro, manana tanjaka 8MW, hanampy ny 2 MW efa miasa. Fahatelo, ny famokarana angovo avy amin’ny rivotra, tombanana ho vita amin’ny tapaky ny volana septambra ho avy izao.
Herinaratra ampy
Endriky ny fanehoan’ny Enelec sy ny Chelsea ny fiaraha-miasany amin’ny fitondram-panjakana sy ny Jirama ireo hetsika ireo. Tanjona ny hamatsiana herinaratra ampy sy tsara kalitao sady maharitra ho an’ny mpanjifa any Antsiranana.
Marihina fa vokatry ny fikojakojana matotra ireo milina no antony nahatonga ny fahatapatapahan’ny herinaratra, faramparany teo.
Njaka A.




