Faritra Menabe: 2 000 Ar ny kilaon’ny voanjo eny amin’ny mpamokatra

Tafapetraka ny paikady hanarenana ny seha-pihariana voanjo sy hiantohana ny tombontsoan’ny tantsaha. Rafitra natao hanampiana ireo mpisehatra sy hanohanana ny toekaren’ny faritra.

Miroborobo. Velom-panantenana ireo mpisehatra eo amin’ny lalam-pihariana voanjo ao amin’ny Faritra Menabe. Tapaka taorian’ny fikaonandoha ataon’ny fanjakana sy ireo mpisehatra samihafa fa 2 000 Ar ny kilao handraisana ny voanjo eny amin’ireo mpamokatra. Paikady entina hamaliana ny hetahetan’ireo tantsaha sy hanarenana ny seha-pihariana ka hiantohana ny tombontsoan’ny mpamokatra. Ankilany, voaresaka ihany koa ny hanatsarana ny kalitaon’ny vokatra, ny fitadiavana lalam-barotra, ny tantsoroka ara-teknika hanohanana ny mpamokatra. Nivoitra tao anatin’izany ny hananganana rafitra handrindra ny paikady hanarenana ny seha-pihariana.

Tsena
Ilaina ny manana lalam-barotra maro sy vokatra ara-kalitao hidirana amin’ny tsena iraisam-pirenena, toy ny tsena anatin’ny Vondrona eoropeanina. “Atao sehatra matihanina ny voanjo”, hoy ny minisitry ny Varotra sy ny fanjifana, Andriamadison Haingotiana. Ankilany, hisy ny dinika hiarahana amin’ireo teratany sinoa, hampangarahara ny sivana eo amin’ny vokatra sy ny fiaraha-miasa.
Ankoatra izay, napetraka ny rafitra hanofanana ireo tantsaha izay iarahana amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo ary ny Biraon’ny fenitra eto Madagasikara (BNM).

Henintsoa

Partager sur: