TSELATRA

Ho hentitra ny fitandroana ny filaminana any Toamasina na andro na alina, raha ny fanazavana nataon’ny eo anivon’ny OMC any an-toerana, omaly. Mitohy ny “couvre feu” ary ho mafimafy kokoa ny fanaraha-maso na amin’ny atoandro na amin’ny alina. Efa nisy ny olona voasambotra tamin’ny fahafatesana ankizivavy 12 taona tany Toamasina, ny sabotsy teo.

Nahitana fatin-jazakely vao teraka indray tao anaty harona tany Ankiambe, Toliara, omaly maraina. Sahabo ho valo volana sy tapany izy io, raha ny tombana. Efa hatsatra tanteraka ny razana ary tsy nahitana taratasy momba izany teny aminy. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha.

Partager sur: