Nankalazaina ny 29 sy 30 jona teo ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana (JME) any amin’ny distrika Mitsinjo, Faritra Boeny. Anisan’ny nampiavaka azy ny faharesen-dahatry ny mpiavy avy any atsimon’ny Nosy, hiaro ny tontolo iainana.
Tany Ambalihamarotia, kaominina Mitsinjo no nanatanterahana ny fotoana. Nanatrika tao avokoa ny manam-pahefana isan-tsokajiny ao amin’ny Faritra Boeny. Anisan’ny nampiavaka ity hetsika ity ny fahavononan’ireo mpiavy avy any atsimon’ny Nosy hiaro ny tontolo iainana. Tafiditra ao anatin’ny Faritra arovana vaovao (NAP) ny Vondrom-paritra Mahavavy-Kinkony (CMK). Ahitana ala maina, ny renirano Mahavavy, ny farihy Kinkony, faharoa lehibe indrindra eto Madagasikara, ny ranomasina…
Miara-miasa amin’ny ONG Asity Madagasikara izy ireo hanatanterahana ny fiarovana sy ny fampandrosoana ny velon-tenan’ny mponina.
Nambaran’i Filantsoa Norbert, sefo zana-paritra any Ambalihamarotia, fa «resy lahatra izahay fa ilaina ny fiarovana ny harena voajanahary, nahatonga anay hiova fo. Nanimba tokoa izahay tany aloha, nikapa hazo sy nanao saribao tsy ara-dalàna, saingy tonga saina taty aoriana taty fa zava-dehibe tokoa ny fiarovana ny harena voajanahary”.
Trondro Damba sy Vorofaly
Nohazavain-dRandrianjatovo Solofoson, lehiben’ny toerana Asity Madagasikara Mitsinjo, fa mirefy 350 824 ha ny velaran’ny CMK, ka tena tsy azo idirana sy kasihina ny 7%. Faritra Arovana Vaovao (NAP) sokajy faha-5, izany hoe, miaraka ny fiarovana sy ny fiahiana ny velon-tenan’ny mponina. Mampiavaka azy ny farihin’i Kinkony, faharoa lehibe indrindra eto Madagasikara, aorian’i Alaotra. Ahitana ny karazan-trondro Damba, tsy fahita raha tsy any an-toerana ka tsy azo trandrahina. Eo koa ny karazana vorona Vorofaly, tsy fahita raha tsy ao amin’ity farihy ity.
Maro ny hetsika nankalazana ny JME tao amin’ny Sekoly maitso Ambalihamarotia. Toy ny seho dihy nataon’ny karazana foko samihafa, ny fifaninanana « radio crochet », ny lalao baolina kitra, ny lalao tolona ringy, sns.
Njaka Andriantefiarinesy




