TSELATRA

Nanamafy fiaraha-miasa ny minisitry ny Filaminam-bahoaka sy ny Onudc (Rantsan’ny Firenena mikambana misahana ny ady amin’ny heloka bevava sy ny zava-mahadomelina) aty Afrika Atsina­nana. Noraisin’ ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Géné­ral de Police Erick Michel tao amin’ny biraony tetsy Anosy, omaly, ny solontena maharitry ny Onudc, Ali El-Bereir. Miompana amin’ny ady amin’ny heloka ana habaka sy ny famarinana olombelona.
Nasiam-panavaozana ny fotodrafitrasa eo anivon’ny biraon’ny Kaomisaria (CSP2 Ambohijatovo) sy ireo Postes de Police eny amin’ny faritra hiadidin’ny boriboritany faharoa.
Anisan’izany ny fanatsarana ireo fiara natokana hanaovana ny asa. Ankoatra ireo, nahazo fitaovana vaovao ihany koa ny polisy hanatsarana ny fomba fiasa.
Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antani­mora, ilay ramatoa, nahavita namono ny vadiny tetsy Ambohi­manambola. Taorian’ny asa ratsiny, voasambotry ny zandary avy amin’ny zana-tobim-paritra Ambohimanam­bola izy ny 26 jona lasa teo. Tratra teo ampanariana ilay ankajo nihoson-dra tany amin’ny toeram-pivoahana izy. Ady mivady ny antony namonoany ilay rangahy.

Partager sur: