VAOVAO TAMBATRA

Asa manodidina ny 200 000 no tandindonin-doza noho ny hetra vaovao nampidirina sy nampiharina nanomboka ny taona 2023, ho an’ny orinasa afakaba. Tara ihany koa ny fandoavan’ny fanjakana ny TVA ka mahatonga ireo orinasa ho very hevitra. Miantso fifampidihana ny GEFP mialoha ny handraisana fanapahan-kevitra vaovao. Tsy tokony hisy ihany koa ny hetra vaovao hampiharina, hoy ny fanambarana nataony.

Hamafisina ny fiaraha-miasa sy ny fifanakalozana traikefa eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina hanafainganana ireo tetikasa fampidirana herinaratra eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Tanjona apetraky ny fanjakana ny hisitrahan’ny 80% ny Malagasy herinaratra. Hampiroboroboina ny 3P mba hampiasana ny angovo azo havaozina ka ahahafan’ny tokantrano misitraka angovo sy hiarovana ihany koa ny tontolo iainana.

Naharitra roa andro ny fakan-kevitra hanatsarana ny fitrandrahana ny eladrano (Mica) teny amin’ny Madagascar Business Center” (MBC) Ivato. Fifanaka­lozana sy fizarana traikefa niarahana tamin’ireo mpisehatra samihafa. Tsirin-kevitra avy amin’ny Responsable Mica Initiative (RMI), ka niantsoany ireo rehetra voakasiky ny seha-pihariana, izy io. Nandray anjara tamin’izany ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola

Partager sur: