Angovo : Hiverina ny fanitsiana ny vidin-tsolika

Tapaka taorian’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa hiverina ny fanitsiana ny vidin-tsolika. Mety hiova, araka izany, ny vidin-tsolika manomboka amin’ity faran’ny herinandro ity. Tsiahivina fa niditra tamin’ny hamehana ara-angovo isika nanomboka ny volana avrily teo. Fanapahan-kevitra natao mba hampihena ny fiantraikan’ny zava-misy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena eto amintsika. Indrindra ny ady misy ao Moyen-Orient. No­ken­­drena tamin’izay ny hiantohana ny famatsiana tsy tapaka teto amintsika. Mari­hina fa noferana ho 4 860 Ar ny litatry (l) ny gazoala, vidina 5 100 Ar/l kosa ny lasantsy (SP 95) raha 3 710Ar/l izany ho an’ny solika fandrehitra. Na­hitana fiakarany 200 Ar avokoa ny vidin-tsolika na­nom­boka ny volana mey ka hatramin’izao. Vidiny izay nitovy tamin’ny volana febroary teo.
Voafetra ho 200 Ar ny fiakarana na ny fidinan’ny vidin-tsolika nihatra teto amintsika, araka ny fifanarahana tamin’ny Tahirim-bola iraisampirena (FMI).

Henintsoa

Partager sur: