Natomboka omaly, tetsy amin’ny Hotel Carlton Anosy, ny asa fanomanana ny Fanisana ankapobeny, andiany fahatelo (RGA-3) momba ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono.
Nisy, araka izany, ny fivoriana niarahan’ireo minisitera voakasika, ny eo anivon’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo ( MiASA), ny Fiompiana (MinEL). Niarahana tamin’ny Instat sy ny FAO izany. Maro ireo nandray anjara tamin’izany. Tonga nisolo tena ny avy amin’ny MPEB i Be Rija Ravelomanantsoa, Sekretera jeneraly.
Nivoitra, tamin’izany, fa anisan’ny antoky ny famolavolana politika sy paikady mahomby ho fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ny fisian’ny antontanisa marina, feno ary manara-penitra. Amin’ny alalan’ity fomba fanisana andiany fahatelo ity no hahazoana tahirin-kevitra azo itokisana momba ny sehatry ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono. Hanampy betsaka amin’ny fanamorana ny fandrindrana sy ny fanatanterahana ireo fandaharanasa mifanaraka amin’ny filana eny ifotony, ho fampandrosoana maharitra ny firenena.
Mino




