Hanomboka ny faran’ity herinandro ity ilay fampisehoana hitetezan’i Zook Davids ny faritra atsimon’ny Nosy. Sabotsy 4 jolay, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Kianja fanaovana basikety kaominina Ambohimahasoa. Talata 7 jolay, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, seho lehibe ao amin’ny Kianja fanaovam-baolina Ranomafana. Tolakandron’ny alakamisy 9 jolay, ao amin’ny Kolejy loterana Manakara. Ao Sahambavy Fianarantsoa kosa, ny sabotsy 11 jolay, manomboka amin’ny 9 ora maraina. Ao amin’ny Kianja Toky Fitaka Ambalavao Fianarantsoa no hamaranana ny « Tour du Sud Mada », ny alahady 12 jolay, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Samy tsy misy vidim-pidirana avokoa ireo fampisehoana an-tsehatra ireo.
Marihina fa anisan’ny mampiavaka an’i Zook Davids sy ny seho an-tsehatra tahaka izao ny fahaizany mifandray akaiky amin’ireo ankizy sy tanora. Manana sanganasa sy fomba fiseho sehatra manintona ireo sokajin-taona ireo rahateo izy. Na izany aza, hainy ihany koa ny mampifantoka ny raiamandreny any amin’ny tontolon’ny fanabeazana amin’ny maha mpanabe azy.
HaRy Razafindrakoto




