kitra – Yas Coupe 2026 : Hanao valin’ady ny Disciples FC

Hihaona indray etsy By-pass, ny alahady ho avy izao, mandritra ny ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra, «Yas Coupe 2026», ny Ajesaia Bongolava sy ny Disciples FC Vakinankaratra. Hanao valin’ady amin’ny klioba an’Antaninkatsaka, amin’io fotoana io, ny ekipa avy any Vakinankaratra.
Tsiahivina fa ny Disciples FC izay nahintsan’ny Ajesaia tany amin’ny manasa-dalan’ny fifaninanam-pirenena PFL. Tsy main­tsy hanao izay fara heriny hahazoana amboara nasionaly, araka izany, ireto ekipa roa ireto, amin’ity taona ity, satria efa samy tsy nahazo na inona na inona tamin’ny fifaninanam-pirenena.
Etsy ankilany, ny Elgeco Plus, tompon’ny amboara farany, handray ny AS Valahara, ny andron’io, eny By-pass ihany. Ampahafantarina fa ny ampahefa-dalan’ity Yas Coupe ity dia hatao ny 12 jolay ho avy izao.

Fitia Randria

Partager sur: