Mondial 2026 : Ekipa afrikanina 4 sisa andrandraina

Mitohy ny faharesen’ny ekipan’i Afrika, amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany «Mondial 2026». Nangoron-damba avokoa ny Lions de la Teranga Senegal, ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, ny Leopards RD Congo. Tsy misy afa-tsy ekipa efatra izany sisa antenaina.

Tao anatin’ny telo andro, nisesy ny raho-mainty nitatao eo ambony lohan’ny ekipa afrikanina, amin’ity fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”, ity. Nangoron-damba, teo amin’ny dingana ampaha-16-ndalana avokoa mantsy ireo andrarezina eto Afrika. Ani­san’­izany ny Lions de la Téranga Senegal, tompondakan’i Afrika farany teo. Eo koa ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ary ny RD Congo. Firenena afrikanina efatra sisa antenaina, ankoatra ny Lions de l’atlas Maroc izay efa nahazo ny tapakilany. Ny Fennecs Algérie, hidona amin’i Suisse, anio zoma amin’ny 6 ora hariva, ao amin’ny Kianja BC Place Vancouver. Eo koa ny fifanandrinan’ny Faraonan’i Egypte sy i Australie, hotanterahina ao amin’ny Kianja Dalas, Arlington, amin’ny 9 ora alina. Rahampitso sabotsy indray, ny lalaon’ny Kintana maintin’i Ghana sy i Colombie ary i Cap-Vert sy i Argentine.
Raha hiverenana ny lalaon’ireo ekipa efa nihintsana, any amin’ny 5 mn tsy hiravana avokoa no hamonoan’ny mpifanandrina baolina amin’izy ireo. Anisan’izany, ny an’i Senegal, lavon’i Bélgique, tamin’ny isa 3 no ho 2, rehefa nitarika 2 no ho 0. Tao anatin’ny 5 mn farany no namonoan’ny mpifanandrina baolina roa dia ny teo amin’ny 86 sy 89 mn. Avy eo lavo tany amin’ny fanalavam-potoana.
Toy izany koa ny RD Congo, nanoloana an’i Angle­terre. Nitarika 1 no ho 0, avy eo voasahala 1 sy 1 ary tany amin’ny 86 mn no namonoan’ny mpifanandrina ny baolina faharoa. Sahala amin’izany koa i Côte d’Ivoire, tany amin’ny 86 mn koa no resy. Hatreto, i Mexique irery no hany ekipa nandresy foana tamin’ireo lalao rehetra nataony.

Tompondaka

Partager sur: