Noho ny fanagasiana taloha : Matahotra ny hampiasa teny malagasy ny Malagasy

Nanana ny akony sahady ilay fahalanian’ny tolo-dalàna hampiasana ny teny malagasy manomboka izao. Iray amin’ireo namela holatra lehibe ilay « fanagasiana » bontolo.

Faly sahirana! Azo lazaina ho io no zava-nitranga nanoloana ilay fahalanian’ny volavolan-dalàna manome lanja sy hasina ny teny malagasy, teny amin’ny Antenimierampirenena. Seha­tra maro no ampiasana ny teny malagasy manomboka izao. Didim-pitsarana, takelaka samihafa mirakitra torolalana, sns.
Niverina tany amin’ny 50 taona lasa, anefa, ny eritreritry ny Malagasy. Ireo efa lehibe, nahatadidy tsara ny « fanagasiana ». Ny tanora taty aoriana, naheno ny zava-nanjo ny tontolon’ny fampianarana tamin’izany. Samy nametraka ny ahiahiny avokoa. Ho tratra ve ny tanjona? Efa ampy, angaha, ny voambolan-tsehatry ny teny malagasy? Ahoana ny handikana ny « … », sns.
Tandindona navelan’ilay nambara ho « fanagasiana » avokoa ireo. Ny fandikan-teny na ny famoronana voambolana no nahamaika. Tsy hita na nodian-tsy hita fa na ho voadika amin’ny teny malagasy avokoa aza ireo voambolana rehetra maneran-tany. Rehefa tsy ho ampiasaina (tenenina, soratana…) izy ireny, herim-po very maina. Mila miteny malagasy ny Malagasy. « Maty » ny teny rehefa tsy ampiasaina. Io fampiasana ny teny malagasy io, any amin’ny sehatra rehetra, no mifanindran-dalana amin’ity tolo-dalàna vao nolanian’ny solombavambahoakan’i Madagasikara ity.
Noho izany, ilaina ny fampiharana sy ny fanaraha-maso izany. Ilaina ihany koa ny fanohizana ny fadikan-teny isan-tsehatra, satria, efa ela loatra no tsy nampiasana ny teny malagasy, mba hanafainganana sy hahatrarana ny tanjona (famerenan-kasina). Mitaky fiaraha-miasa eo amin’ny mpahay teny malagasy, mpikaroka, raiamandreny, teknisianina isan-tsehatra, sns, ny fandrafetana voambolana vaovao… Atao laharam-pahamehana kosa ny fampiasana ny teny malagasy ho teny hoenti-mampianatra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: