TARATRY ny KANTO

Hisy ny velakevitra manodidina ny tantaran’ny mpanjakavavy Ranavalona III. Hotontosaina anio, amin’ny 10 ora maraina izany, eny amin’ny AFT Anda­vamamba. Ny marimarina kokoa, ny tantaran’ny mpanjaka, araka ireo sary voarakitra, izay ny ankamaroany fony izy tany an-tsesitany. Hamelabelatra izany i Helianta Rajaonarison, mpampianatra mpikaroka tantara eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo.

« Cabaret » hanehoana firaisankina, iarahana amin’i Samoëla. Anio manomboka amin’ny 8 ora alina izany, ao amin’ny Food Court La City Ivandry. Fanohanana ny hetsika « Manjakely », izay natao hanangonam-bola hanampiana ireo reny sy zaza sahirana any amin’ny faritra Ambatondrazaka izy ity. Na izany aza, tafiditra anatin’ireo andian-tseho anaty fandaharam-potoan’i Samoëla ihany koa.

« Soratra velo-maharitra, sa soratra velona mandrakizay ? » Io ny lohahevitry ny adihevitra literera, hatao ao amin’ny Efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ny alarobia 8 jolay izao. Hitarika izany i Sy, Mpanabe an-tserasera, mpanao gazety ary mpanoratra. Eo koa i Liantsoa, poeta mpanoratra avy ao amin’ ny Faribolana Sandratra.

Partager sur: