Fiara telo nifandona teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, teo Andalamahitsy, Ambohimandroso, omaly. Nosembatsembanin’ny zavona, tafiditra afovoan’ny arabe ny kamiao iray kanjo niteraka lozam-pifamoivoizana. Tsy nisy ny namoy ny ainy, saingy potika ireo fiara.
Hitan’ny fianakaviany teny Analamahitsy, tamin’ny 1 ora maraina, saingy tsy tonga saina tsara ny ankizilahy iray nanaovana ombay mitady, omaly.
Olona telo nikasa handroba raim-pianakaviana avy nividy fanafody tao Tanambao V, kaominina Toamasina, omaly alina. Nitondra tuc-tuc ireo olon-dratsy ary nanaraka ilay rangahy. Tafatsoaka ity farany.
Fito lahy mpangalatra moto notazomina vonjimaika any am-ponja Fianarantsoa, afakomaly. Nahatrarana moto halatra izay efa noravaina maromaro io tambajotran-jiolahy io.




