Farihy Kinkony : Trondro tena arovana ny Damba

Karazan-trondro tsy hita raha tsy ao amin’ny farihin’i Kinkony, faharoa lehibe indrindra eto Madagasikara, ny Damba. Ao anatin’ny fianakaviana Tilapia ity trondro ity. Arovana mafy satria atahorana ho lany tamingana. Efa vitsy ny isan’izy ireo, ka tsy maintsy noraisina ny fepetra hiarovana azy. Napetraky ny Asity Madagasikara, mitantana ny Faritra Arovana CMK (Complexe Mahavavy-Kinkony), miaraka amin’ny Vondrom-piarahamonina eny ifotony, amin’ny alalan’ny vovonana Maharimbitsy Miahy ny Zavaboahary (MMZ) izany. Latsaky ny 2% amin’ny isa sy ny karazan-trondro sisa ny Damba. Tamin’ny fanaratoana andrena natao, 15 monja ny damba azo tamin’ny trondro miisa 558 azo.
Tena ahitana azy ireo any Makary sy Marofandroboka. Fepetra sy fitsipika napetraka, averina anaty rano izay Damba azon’ny mpanjono. Ankehitriny, efa hita fa miha mitombo ny isany, satria tsapan’ny mpanjono sy ny mponina eny ifotony, fa tena ilaina ny fiarovana azy ireo. Nahomby ny fanentanana natao.

Njaka A.

Partager sur: